<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>619</hymn_number>
<title>Ry Raiko o! Tariho ny zanakao, FFPM619</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Raiko ô ! tariho ny zanakao,
 Tariho re !
 Fa maizina izao lalako izao,
 Tariho re !
 Tsilovy, ka omeo finoana,
 Tantano am-pandehanana.

[V2]
 Izay ela izay ny lalan-tsitrapo
 No tiako ;
 Izay ela izay izao tontolo izao
 No mamiko ;
 Kanefa izao, tariho ny zanakao,
 Ry Raiko ô ! handia ny lalanao.

[V3]
 Tsy mba ahoako ny loza atý
 an-dalana ;
 Tsy te-hitsinjo koa ny arý
 an-koatra ;
 Fa isan-andro alaharonao,
 Ry Raiko ô !
 ny dian'ny zanakao.

[V4]
 Na mbola lavitra aza re izay
 alehako,
 Tarihonao ambara-pahafaka
 ny alina,
 Dia vao hitsahatra ny zanakao,
 Ry Raiko ô ! arý an-danitrao.</lyrics>
<author>C.H. Purday</author>
</song>